Actualités

Kaominina-Fokontany Tsy tokony hisy elanelana


  • Talata 27 Aogositra 2019

Ho antsika Malagasy, ny fokonolona no sehatra tsara indrindra ho an’ny fiaraha-miaina, ao no ifampikasohan’ny taranaka mifandimby, ao no ampitana ny soatoavina ary ao no amoahana ny hevitra. Rafi-pitantanana ho an’ny vondron’olona fototra izy.

 

Ny zava-misy amin`izao anefa dia mahatsiaro tena ho sahirana ny sefom-pokontany amin`ny fampandrosoana ny faritra misy azy. Na mba haniry sy hanao zavatra ny fokontany dia tsy manana vola hampihodinana azy. Misy fokontany, trano iray ampanofaina no mba vola miditra nefa tsy mahavita na inona na inona akory izany. Eto an-drenivohitra, ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) no omen’ireo filoham-pokontany tsiny satria amin`izy ireo, anjaran’ny kaominina ny manampy sy manohana ary mandrisika ny fokontany, amin’ireo asa fampandrosoana rehetra, amin’ny alalan’ny famatsiana vola sy fitaovana. Na ireo fokontany heverina ho manana fotodrafitrasa mety hamelona azy aza dia mahatsiaro ho tsy afa-manoatra ihany koa. Misy fokontany  mba manana manana tsena, saingy tsy miditra any amin’ny kitapom-bolan’ny fokontany ny vola fa mankany amin’ny kaominina. Ny vola azo amin’ny fanaovana taratasy, toy ny fanamarinam-ponenana, ny fanamarinam-pahavelomana… tsy dia misy firy. Indraindray aza, tsy misy olona miditra manao taratasy akory, mandritra ny iray andro. Marihana fa ny sefo fokontany dia tendren`ny prefen`ny polisy manampahefana eo an-toerana avy amin` ny tolo-kevitry ny sefo distrika raha ho an`Antananarivo Renivohitra manokana. Raha tsy mazava amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, dia lasa sakana ho an’ny fampandrosoana eny ifotony, eny anivon’ny fokontany. Na ny vahoaka na ny sefom-pokontany sasany dia tsy mahafantatra akory izay tena tompon’andraikitra mampikatso ny asa fampandrosoana. Raha fihinin’ny fanjakana irery ny fahefana dia tsy handroso mihitsy isika. Anjaran’ny fanjakana ny mampisy ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny kaominina sy ny fokontany. Aleo hifanampy fa tsy tokony hisy elanelana mihitsy eo amin’ireo.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT