Vatan-dehilahy miisa 4 000 voalaza fa avy any Ikalamavony no tonga tao amin’ny Kaominina Fenoarivo nanafika sy nanakorontana ny tanŕna ny 20, 21 ary 22 oktobra lasa teo. Raha ny voalazan’ny solontenan’ny mponina avy any an-toerana tonga teto an-drenivohitra dia nisy omby 200 mahery ihany koa nalain’ireo vatan-dehilahy ireo an-keriny
Milaza izy ireo fa iraka solombavambahoaka. Tsy vitan’izay fa maro ireo endrika hetraketraka ataon’ireto andian’olona ireto toy ny ny fandorana trano, ny fanimbana sekoly ary fanerena ny mponina hanome sakafo azy ireo. Na dia teo aza anefa izany dia nilaza ireto olona ireto fa efa nisy ny fidinana ifotony nataon’ny komandin’ny vondrom-pibaikoana eo anivon’ny zandarimaria ao Ambositra mahakasika ity raharaha ity. Manoloana ny zava-miseho dia manao antso amin’ny tompon’andraikitra mahefa izy ireo mba hijery akaiky ny toe-draharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.