Actualités

Kaominina Betsiaka sy Ambalan’Anjavy Baranahiny tanteraka ny fitrandrahana volamena


  • Talata 16 Jolay 2019

Anisan’ny faritra sompitry ny volamenan’i Madagasikara ny Kaominina Betsiaka sy Ambalan’Anjavy anatin’ny Distrikan’Ambilobe.

 

 Olana nefa ny fahamaroan’ireo olona mpitrandraka misehatra amin’ny tsy ara-dalàna ka manao izay tiany atao sy saim-pantany fotsiny izy ireo. Nidina nijery ifotony tany  mihitsy ny teo anivon’ny Ivontoerana misahana ny Sehatr’asa Volamena (ANOR) avy aty Antananarivo nandrindra sy nandamina ireo mpitrandraka volamena tsy ara-dalàna maro be any an-toerana. Rehefa izay dia nitafa sy nidinika ary indrindra nampahafantatra tamin’ireo mpisehatra amin’ny fitrandrahana volamena sy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izy ireo ny amin’ireo andraikitra sy ireo tombontsoa amin’ny fidirana amin’ny ara-dalàna. Tanjona ny hahazoan’ny mpisehatra, ny mpandraharaha ary indrindra ilay faritra mihitsy ny tombontsoa amin’ny alalan’ny fahazoan-dalana sy ny karatra maha matihanina isaky ny sokajiny. Amin’izany no hisian’ny tamberim-bidy amin’ny fitrandrahana ny volamena any ka hanatsara ny toekarena ankapobeny mihitsy.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT