Tratra ara-potoana soa aman-tsara ihany ny asa fanamboarana ilay toho-drano vaovao etsy ambanin’ny tetezan’Ampasika hahafahana manondraka ny tanimbary ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Bemasoandro, distrikan’Atsimondrano.
Niakatra nanomboka omaly Alarobia mantsy ny ranon’Ikopa, raha araka ny toro-marika nomen’ny APIPA ny kaominina, fe-potoana tsy maintsy nenjehina namitana ny asa. Tanimbary manodidina 200 ha no hahazo tombontsoa amin’izany izay tsy mamokatra afa-tsy vary aloha aloha hatreto izay tokony hoketsaina mialohan’ny volana novambra mba hiakatra alohan’ny volana Desambra. Vokatry ny ezaky ny fanjakana tamin’ny alalan’ny fanomezana ireo hazo nanaovana ny toho-drano sy ny kitapo feno tany no nahafahana nanatanteraka izany raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rakotomandimby Jean, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara. Mikasika ny voka-bary manokana moa dia nomarihiny fa mbola mijanona ho 2 T isaky ny ha ihany vokatra miakatra ao Bemasoandro hatreto noho ny tsy fahatakaran’ny tantsaha ireo masom-boly manara-penitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.