Nilamina ny fifamindram-pahefana teo anivon’ny kaominina ambanivohitra Bemasoandro ny alarobia lasa teo. Nanokanana fotoana manokana kosa ny fijerena ny lafiny fitantanana ara-bola, araka ny tinapaky ny ekipan’ny ben’ny tanàna lefitra teo aloha sy ireo mpiara-miasa amin’ny ben’ny tanàna vaovao.
Tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny mpitantana vaovao Rakotomandimby Jean Martial ny fifehezana ireo fako manentsina ny tatatra sy ny lakandrano mitarika ny fisian’ireo traboina toy ny mbola hita ao Bevolana amin’izao fotoana izao. Tsy ho tratra intsony ny fananganana fotodrafitrasa vaovao amin’ity taona ity ka hifantoka betsaka amin’ny fanatsarana ireo efa misy aloha ny asa. Fikasana ny hanavao ireo fitaovana miaraka amin’ny fanavaozana ireo sekolim-panjakana ao anatin’ny kaominina mialoha ny fidiran’ny mpianatra saingy tsy maintsy ahemotra amin’ny fialantsasatra izany noho ny fahataran’ny fifamindram-pitantanana. Miankina tanteraka amin’ny toe-bolan’ny kaominina ihany koa anefa izany, hoy ny ben’ny tanàna vaovao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.