Actualités

Kaominina Belazao Nahazo rano fisotro madio


  • Alarobia 21 Janoary 2015

Ela ny ela ka nahazo rano fisotro madio sy ara-pahasalamana ny kaominina Belazao vokatry ny fiaraha-miasan’ny solombavambahoaka Ravelohanitra Nirina sy ny Misionera avy any Korea Atsimo “Seoul and Salt Church”. Notokanana ary natolotra ny mponina tao Belazao ireo

fotodrafitrasa roa ireo ny alatsinainy 19 janoary 2015 lasa teo ka tonga tany an-toerana ireo mpiara-miasa nahitana ireo mpitondra fivavahana niaraka tamin’ny solombavambahoaka. Nambaran-dRtoa Nirina Ravelohanitra, solombavambahoaka fa tena ranom-potaka mihitsy no sotroin’ireo tokantrano manodidina ny 150 tafo teo hatramin’izay ka tsy ara-pahasalamana izany ka nahatonga azy hanampy ireo mponina.Ny volana desambra 2014 no nanombohan’ny asa ka na dia teo aza ny orana dia vita ihany.Taorian’izay dia ny nisy ny fizarana akanjo ho an’ireo kilonga madinika latsaky ny 4 taona teo anoloan’ny kaominina Belazao. Fantatra nandritra ity fihaonana ity fa efa voapetraka manontolo ny fandaharam-potoana sy ny asa maro ho tanterahin’ity solombavambahoaka mandritra ny taona 2015 ity ka ny volana martsa ho avy izao dia hanomboka ny fitetezana ireo kaominina 20 manerana ny Distrika amin’ny asa fanasoavana, anisan’izany ny fanorenana fotodrafitrasa toy ny sekoly sy ny rano fisotro madio, ankoatry ny asa sosialy ahafantarana ity solombavambahoaka ity dia ny fanomezana fotsim-bary sy akanjo ary ny ireo kojakojan-tokatrano isan-karazany amin’ny maha reny azy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT