Laharam-pahamehana voalohany indrindra ho anay ao amin’ny kaominina ambanivohitra Arivonimamo II izay manodidina an’i Arivonimamo I, hoy ny ben’ny tanàna efa nitondra tao an-taonany maro, Rabearivelo Armand, ny resaka fandriampahalemana mahakasika ny tontolo iainana ho fiarovana ny ala tapia izay hany tokana eran-tany ny fananantsika Malagasy azy.
Misy nanararaotra namadika ho saribao mantsy izy io tao anatin’ny elanelam-potoana maro nifandimby ka tsy ho azo ekena mihitsy izany. Haverina ny “coup d’arrêt” efa natao mikasika azy io izay voatery najanona tamin’ny andron’ny fampielezan-kevitra. Laharam-pahamehana faharoa ny fandriampahalemana ankapobeny mihitsy mba hampirisihana ny fampandroasoana ifotony. Haverina koa ny ezaka efa vita tamin’ny 2008 nahazoana ny “taux de croissance” 23 tapitrisa ariary izay tena nihena be tokoa noho ny tsy nisian’ny delegem-panjakana nandritra ny 3 taona ka tsy nahampy ny “pression fiscale” ary ny olona koa tamin’ny andron’ny tetezamita nalaina nandoa hetra. Marihina, hoy ny ben’ny tanànan’Arivonimamo II fa ny kaominina misy azy irery no kaominina ambanivohitra hany manana renivohitra hatreto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.