²Niafara tamin’ny fandroahana mpiasa ny fitokonana nataon’ireo mpiasan’ny kaominina vitsivitsy mbola nitokona hatramin’izay. Raha tsiahivina, mbola nisy 15 teo ho eo ireo tsy nandray ny asany mihitsy na dia efa niangaviana aza
Raha ny fantatra dia polisy monisipaly iray no voatery noroahina satria nandika ny andininy faha-8 amin’ny fifanarahana araka asa teo aminy sy ny kaominina Ambonivohitra. Raha ny nambaran’Atoa Razafindrainony Lala Marie Beryl, filohan’ny Delegasiona manokana dia polisy monisipaly vitsivitsy no naverina hisahana ny asany mba hanatevina ny fampidiran-ketra indray raha toa ka efa nafindra servisy hafa izy ireo teo aloha.Isan’izany ity mpiasa iray noroahina ity satria izy irery tamin’ireo namany no nadà ny famindran-toerana azy na dia efa namoahana didy ho tsy maintsy mandray ny asany aza izy. Nambaran’Atoa Pds ihany koa fa amin’ny efa namindran-toerana azy hiverina amin’ny asa nadraisana azy teo aloha ka nandavany izany dia tafiditra ho anisan’ny “Abandon de poste” izany ka azo handroahana azy tsy misy fepetra. Ankoatra izay, amin’ny maha polisy monisipaly azy dia voalazan’ny fitsipika mifehy ny asan’izy ireo izay nivoaka ny taona 1997 dia tsy maintsy Mankato ny lehibe mpifehy azy dia ny mpitantana ny tànana izy ireo. Ankoatra ity mpiasa iray voaroaka ity moa dia efa nisy mpiasa iray hafa koa niakatra fitsarana noho ny fanalam-baraka ny mpitantana ka nodidian’ny fitsarana higadra 1 volana saingy nampiakatra fitsarana ambony indray ary nihantona aloha ny didy.Tantara sahady izany ny taona vaovao hoan’ny mpiasan’ny kaominina ambonivohitra Antsirabe.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.