Miha mafy ny fitokonan’ireo mpiasan’ny kaominina Antsirabe ambonivohitra.
Nitokona nanoloana ny biraon’ny kaominina izy ireo omaly, nandoro kodiarana, nively sarom-bilany sady niakanjo mena. 45 andro izay ny fitakiana saingy tsy nisy mpihaino izahay, hoy izy ireo. Karama 11 volana no tsy voaloa, efa misy ireo tsy mihinan-kanina ara-dalàna intsony, ny zanaka tsy mianatra, misavovona ny trosa. Tsy rariny intsony izany hoe herintaona latsaka kely izany tsy nandray karama, hoy ireto mpiasa ireto kanefa kaominina mba mampidi-bola ihany Antsirabe renivohitra. Manahy izahay fa sao lasa any am-paosin’ny ben’ny tanàna fotsiny ny vola, hoy izy ireo. Nanambara kosa tetsy an-kilan’izay ny ben’ny tanàna Atoa Paul Razanakolona fa efa misy ny vahaolana aroso ka misy karama 2 volana efa vonona ao aloha. Zo ny mitaky fa hajao ny hafa, hoy izy ary aleo miresaka. Nanizingizina kosa anefa ireo mpiasa fa tsy hijanona ny hetsika raha tsy voavaha tanteraka ny olana. Maro ny resaka mandeha momba ity olana ara-bola ao amin’ny kaominina Antsirabe I ity. Maro no mihevitra fa misy ny fanadihadiana lalina tokony hatao amin’ny fitantanana ny volan’ny kaominina mba hialana amin’ny ahiahy tsy hihavanana satria efa maro be ny resaka nandeha momba an’ingahy ben’ny tanàna. Fa mandra-piandry izay ho vahaolana maharitra aloha dia tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny asa .
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.