Actualités

Kaominina Antsirabe I Mikorontana tanteraka


  • Alarobia 27 Martsa 2019

Miha mafy ny fitokonan’ireo mpiasan’ny kaominina Antsirabe ambonivohitra.

 

 

 

 

 Nitokona nanoloana ny biraon’ny kaominina izy ireo omaly, nandoro kodiarana, nively sarom-bilany sady niakanjo mena. 45 andro  izay ny fitakiana saingy tsy nisy mpihaino izahay, hoy izy ireo. Karama 11 volana no tsy voaloa, efa  misy ireo tsy mihinan-kanina ara-dalàna intsony, ny zanaka tsy mianatra, misavovona ny trosa. Tsy rariny intsony izany hoe herintaona latsaka kely izany tsy nandray karama, hoy ireto mpiasa ireto kanefa kaominina mba mampidi-bola ihany Antsirabe renivohitra. Manahy izahay fa sao lasa any am-paosin’ny ben’ny tanàna fotsiny ny vola, hoy izy ireo. Nanambara kosa tetsy an-kilan’izay ny ben’ny tanàna Atoa Paul Razanakolona fa efa misy ny vahaolana aroso ka misy karama 2 volana efa vonona ao aloha. Zo ny mitaky fa hajao ny hafa, hoy izy ary  aleo miresaka. Nanizingizina kosa anefa ireo mpiasa fa tsy hijanona ny hetsika raha tsy voavaha tanteraka ny olana. Maro ny resaka mandeha momba ity olana ara-bola ao amin’ny kaominina Antsirabe I ity. Maro no mihevitra fa misy ny fanadihadiana lalina tokony hatao amin’ny fitantanana ny volan’ny kaominina mba hialana amin’ny ahiahy tsy hihavanana satria efa maro be ny resaka nandeha momba an’ingahy ben’ny tanàna. Fa mandra-piandry izay ho vahaolana maharitra aloha dia tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny asa .

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT