Hanana lisea ny Kaominina Antehiroka. Io no anisan’ny fanambin’ny Ben’ny tanànan’Antehiroka Razakandrainy Bezoro.
Sahirana mantsy ireo mpianatra ao amin’ity Kaominina ity mamonjy ireo lisea any Ambohidratrimo sy Ivato izay lavitra, ary raha ny nambaran’ny Chef ZAP ao an-toerana dia maro amin’ireo mpianatra no voatery mijanona amin’ny fianarana rehefa afaka BEPC noho io antony io. Efa fantatra fa ao Antsakambahiny no hanorenana io lycée vaovao io ary efa an-dalana ankehitriny ny fanoratana ny tany amin’ny Kaominina. Mikasika ny hoenti-manana indray dia efa nahita mpiara-miombon’antoka hamatsy ara-bola ny fanorenana io fotodrafitrasa io ny kaominina Antehiroka ka ny zoma tolakandro lasa teo dia nisy ny fihaonan’ny Ben’ny tanàna sy ireo hamatsy ara-bola izany. Ankoatra izay dia asa fohy ezaka imasoan’ny Kaominina Antehiroka ihany koa ny fanitarana EPP anankiroa ao Antehiroka dia ny EPP Antanetibe sy ny EPP Ambohiroy, izay kendrena ho vita ny fialantsasatra lehibe mba ahafahana mandray ireo mpianatra amin’ny taom-pianarana manaraka. Nandritra ny famaranana ny fanamarihana ny andron’ny sekoly ny zoma lasa teo moa no nampahafantaran’ny Ben’ny tanànan’Antehiroka ireo tetikasa vinavinain’ny Kaominina hotanterahina ireo. Fanamarihana ny andron’ny sekoly izay sambany indray no nisy tao anatin’ny fito taona izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.