Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia fantatra izao fa efa miverina tanteraka matory ao an-tanŕna ny mponina any amin’ny kaominin’Antaniditra distrikan’i Moramanga.
Tany an-tsaha izy ireo no natory tamin’ny alina noho ny tahotra ny fiverenan’ny asan-jiolahy toy ny tamin’ny 7 septambra lasa teo izay nahafatesana olona 2 sy naharatrana 3 hafa ary nahamay fananana maro toy ny trano, vokatra, tahiry … Namaly ny antsoantson’ny mponina ny tompon’andraikitra tamin’ny nametrahana tobina zandary 3 any amin’ity faritra ity ka efa mba miverina tanteraka amin’ny laoniny ny fandriampahalemana any an-toerana. Efa miezaka amin’ny fanarenana ny simba koa ny fokonolona tarihan’ny ben’ny tanàna vaovao anisan’ireo niharam-boina. Efa tonga nankahery azy ireo koa tamin’ny alalan’ny fitondrana fitafian-dehilahy sy vehivavy tamin’ny “balles” maro ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Moramanga ary nanampy ara-bola an’ireo tena niharam-pahavoazana mafy sy ireo sahirana ara-pivelomana.
Ntsoavina evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.