Nandiso ny filazan’ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika Narson Rafidimanana ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna Antananarivo Renivohitra Julien Andriamorasata omaly teny Analakely.
Tsy nanome alalana na fahazoan-dalana fanorenana fotodrafitrasa eny amin’ny tany malalaka Andohatapenaka ny fiadidiana ny kaominina renivohitr’i Madagasikara. Tsy azo atao ny manome alalana fananganana fotodrafitrasa amin’ny tany misy titra na manan-tompo izay voafaritra mazava ao anatin’ny lalàna momba ny tanàn-dehibe, araka ny fanamarihan’ity tompon’andraikitra ity. Efa namoaka didim-pitondrana fampahafantarana izany ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny volana desambra 2016. Nohamafisina tamin’ny taratasy nalefa tany amin’ny prefektiora izany ny 17 martsa 2017. Nohamarinin’ity farany kosa ny maha ara-dalàna io taratasy io ny 21 martsa 2017. Andrasana moa ankehitriny ny didim-pitsarana fampiakarana ny raharaha eny amin’ny tribonaly mitsara ny ady amin’ny fanjakana nataon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany izay namoaka didy ny 10 janoary 2016 ny tsy fahafahana manototra na manorina fotodrafitrasa eny Andohatapenaka raha tsy tontosa ny fankatoavan’ny filankevitra monisipaly ny programa momba ny tanàn-dehibe sy ny fampandrosoana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.