Tonga nitsapa alehelo sy nitondra fanampiana teny Ankasina mba ho mariky ny fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana niharam-boina vokatry ny haintrano niseho ny 25 septambra alina teny an-toerana ny avy eo amin’ny Kaominina Antananarivo omaly
. Nitarika ny Delegasiona sady nisolo tena an-dRtoa Ravalomanana Lalao ny Lefitra Faharoa Atoa Andriamorasata Julien. Tsy adinon’ny kaominina ny nitondra ny voatsirambin’ny tanana ho fanampiana ireo traboina miisa 460 izay nahitana vary 1 taonina, Sô 100 isa, Koveta 50 isa, vovo-tsavony 2 baoritra ary Bisoky. Manamafy ny fiaraha-miombona alahelo amin’ireo voakasik'ity voina mampalahelo ity ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra ary mankahery sy mitsinjo hatrany azy ireo.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.