Actualités

Kaominina Antananarivo Renivohitra Mpiasa ECD miisa 200 mahery natsahatra


  • Alakamisy 04 Febroary 2016

Mitohy ny fandaminana sy ny fanadiovana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

 

Nisy, omaly maraina, ny fivoriana nifanaovan'ny mpitantana izay notarihin’ny Tale Kabinetra Rakotoarivony Jean Pierre, ny Sekretera Jeneraly Razafimahefa Heriniaina ary ny lefitra faharoan’ny Ben’ny tanàna Randriamorasata Julien sy ireo mpiasa ECD (Emploi à Courte Durée), fivoriana natao tao amin'ny Lapan’ny tanàna. Nilaza tamin’ny mpiasa ireto tompon’andraikitra ao amin’ny fiadidiana ny tanàna ireto, fa noho ny fandaminana dia natsahatra ary tsy nohavaozina nanomboka ny volana febroary 2016 ny fifanarahana arak’asa (contrat) niarahan’ny roa tonta. Mpiasa ECD miisa 200 mahery izy ireo no voakasika. Na izany aza dia hefain’ny CUA feno ny karaman’izy ireo volana janoary 2016. 1506 ny isan’ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fony Ben’ny tanàna Patrick Ramiaramanana (2007), tafakatra 3284 izany nandritra ny tetezamita. Io no nolovain’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ny fitantanana (Novambra 2015).

Nisy koa anefa ny fampanantenana an'ireo mpiasa ireo fa rehefa misy ny fandraisana mpiasa dia izy ireo no voalohan-daharana araka ny mari-pahaizan’ny tsirairay avy sy ny olona izay ilain'ny CUA. Ohatra iray amin’izany ny fandraisana ireo polisy monisipaly izay tsy maintsy hotanterahina satria dia zava-dehibe tokoa ny fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina. Nentanina ny mpiasa mba handray anjara amin’ny fifaninanana hidirana ho polisy monisipaly mba ho tena mpiasa raikitra eo anivon’ny CUA izy ireo.

Rabri


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT