Tsy afaka hiandry ny be politika ! Roso amin’ny fanamboaran-dalana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Fanapenana ireo lavadavaka anisan’ny fototra mampitohana ny fifamoivoizana ary mampimenomenona ireo mpampiasa lalana no nenjehina ny faran’ny herinandro iny, toy ny teo Andrefan’Ambohijanahary. Lalam-pirenena faha-7 izy iny, ary ny minisiteran’ny Asa vaventy no tompomarika voalohany amin’ny fikojana ireny, saingy mahatsapa ny fahasahiranan’ny maro ny fiadidiana ny tanàna, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao ka nihazakazahany namboarina, na dia sabotsy aza ny andro. Fanambin’ny minisiteran’ny Asa vaventy ny tsy hisian’ny lavadavaka intsony amin’ny lalam-pirenena faha-7, koa asa raha hotanterahany. Efa nilokalokany fa tsy hisy lavaka intsony mantsy ny lalam-pirenena faha-2, saingy dia iny iarahan’ny rehetra mahita iny ny zava-misy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.