Actualités

Kaominina Antananarivo Renivohitra Miomana fatratra amin’ny fotoam-pahavaratra


  • Sabotsy 15 Oktobra 2016

Atomotra ny fotoam-pahavatra izay hampitombo ny rotsa-korana ka mitera-pahavoazana maro, indrindra ho an’ny mponina eto Antananarivo Renivohitra

. Tondra-drano hatrany no hiainana rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra ka maro ireo traboina. Efa misy ny ezaka ataon’ny Kaominina ho fiomanana amin’izany ka hisy ny fametrahana olona 15 isaky ny fokontany hanampy amin’ny famonjena voina raha sanatria misy ny loza. Nahazo fanofanana manokana momba ny famonjena voina izy ireo ary handray adidy ho fanampiana ny mpiara-belona. Efa misy ihany koa ny fanadiovana lakan-drano ka ny boriborintany faha-4 teny amin’iny manodidina an’i Sonierana iny no nisantarana izany tamin’ity herinandro ity. Ny hita sy tsapa dia miady irery ny kaominina amin’ny asa kanefa tokony hiara-misalahy aminy amin’izany ny fanjakana foibe. Rehefa maro angamba ny traboina vao mody hipoitra sady propagandy vita ihany.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT