Mazava ny tarigetran’ny fiadidiana ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra (CUA) dia ny famerenana ny hasin’ny fiarahamonina manoloana ny gaboraraka sy ny fandikan-dalŕna.
Tsy mivaona amin’ny fampanantenana nataony tamin’ny vahoakan’Antananarivo Renivohitra ny mpitantana ny kaominina tarihin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, hoy ny lefitra faharoa Andriamorasata Julien. Fanapahan-kevitra nalaina ambony nalaina ambany mitandro ny tombontsoan’ny mponina avokoa kosa no noraisin’ireo mpanolotsainan’ny tanàna. Mandalo eo ambany mason’ny prefektiora daholo rahateo ireo fanapahan-kevitra rehetra raisina eto anivon’ny kaominina, hoy kosa ny filohan’ny filankevitra Andriambahoaka Faustin. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana vonjimaika ny tany eny Andohatapenaka handraisana ireo fiara voasazy sy ny famoahana ny kianjan’ny Demokrasia eny Ambohijatovo amin’ireo karazana hetsika samihafa toy ny fanomezan-dalana ireo mpivarotra kojakojam-pianarana amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao. Tsy mankasitraka ny fampifangaroana ny resaka politika amin’ny asa fampandrosoana ny fiainam-bahoaka izay toa miha mahazo vahana ankehitriny moa ny kaominina Antananarivo Renivohitra, araka ny fanamarihan’ireto tompon’andraikitra mpanatanteraka sy mpanao lalàna ao amin’ny CUA ireto. Misintona ny sain’ny mpitondra fanjakana foibe handala sy hampihatra ny tany tan-dalàna ihany koa ireto farany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.