Taorian’ny fotoam-pahavaratra sy ny fandalovan’ny rivodoza farany teo dia nanarina ireo fotodrafitrasa simba teto Antananarivo ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Anisan’ireny ny lalana, ny fantsona fandalovan’ny rano maloto, ny fanitarana ny haben’ny lalana sy ny fanamboarana ny sisin-dalana na ny trottoir. Anisan’ny manatanteraka ny asa ny ARM na ny « Autorité Routière de Madagascar ». Ny BEI na ny Banky Eoropeanina momba ny fampiasam-bola kosa no mpamatsy vola ka ireo lalam-pirenena eto an-tanàna mivoaka ny renivohitra no anaovana ny asa. Anisan’ireny ny lalam-pirenena voalohany, faharoa, fahatelo, fahefatra, ary fahafito. Izany no natao dia entina hampihenana ny faharefoan’ny mponina sy ny fampitombon’ny fahafahany miatrika ny loza voajanahary araka ny fanazavan’ny kolonely Jaona Andrianaivo, tompon’andraikitry ny GRC ny CUA. Hisitraka ny fanatsarana avokoa ny rehetra, indrindra ireo mpampiasa ny lalana toy ny mpitondra fiarakodia.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.