Misesy ary samy manana ny anjara biriky entiny ireo orinasa na mpamatsy vola samihafa tonga maneho ny fahavononany hiara-miasa amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra.
Ny talata 15 desambra dia nanome fanafody ny kaominina tamin’ny alalan’ny BMH ny orinasa Salama izay mpamboatra fanafody. Nahitana fanafody toy ny vitamina sy kalsioma sy ny antibiotika samihafa ny fanomezana. Araka ny nambaran’ny Talen’ny Asa sosialy sy ny Fahasalamana Andriamatoa Andrianarivelo Hariravo dia : « Faly dia faly tokoa ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra mandray ireto fanomezana ireto ary maneho ny fisaorana feno ho an’ny SALAMA. Manantena ihany koa ny mba hitohizan’ny fiaraha-miasa». Ny SALAMA izay mpamongady fanafody eto Madagasikara dia efa mpiara-miasa mahafatra-po amin’ny fiadidian’ny tanàna Antananarivo Renivohitra hatramin’izay. Entina hamonjena ireo sokajin’olona rehetra izay mila fitsaboana ny ao amin’ny BMH Isotry ka na mpiasa avy ao amin’ny kaominina izany na olon-tsotra dia raisina an-tanana avokoa. Tsara homarihina moa fa na ny fitsaboana na ny fanafody rehetra ao amin’ny BMH Isotry dia tsy andoavam-bola avokoa.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.