Laharam-pahamehana ny fahasalamam-bahoaka eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra,
hoy ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna Jean Gabriel Harison. Antony nahatonga ny fanadiovana haingana ireo loto sy fako tao amin’ny tsenan’Anosibe izay hitohy amin’ireo tsena hafa manerana ireo boriboritany enina. Andrasana tsy ho ela ny toromarika taorian’ny fitsirihana ireo valanaretina notontosain’ny BMH teny an-toerana. Niteraka fahapotehan’ireo fotodrafitrasa ao Anosibe toy ny tsena sy ireo lakan-drano ary lalana ihany koa ny fanariana tsy ampiheverana ireo karazana zaoridira toy ny kodiarana sy menaka maloto avy nampiasaina tamin’ny fiarakodia na koa harona platsika. Tsy maintsy harenina manomboka izao ilay toetsaina tsy mahomby manapotika ny fananana iombonana. Ezaka goavana hatrehin’ny CUA moa ny fanentanana ny olona hitandro fatratra ny fahadiovana miaraka amin’ny fanajana ireo fotodrafitrasa mijoro izay nandanian’ny mponina miliara maro. Ho hentitra tanteraka rahateo ny tanànan’Antananarivo Renivohitra eo amin’io lafiny io, araka ny fanazavan’ity tompon’andraikitra iray miadidy ny renivohitr’i Madagasikara ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.