Hihatra manomboka amin’ny faran’ny volana ny fametrahana ny hologramme amin’ireo karazana taratasy karakaraina eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Lohalaharana ny permis de constriure, ny licence taxi sy taxi-be, ny contre visite technique, ny carte des marchands, ny ticket spectacle…Tsy mitaky volabe amin’ny mpanjifa ny fanaovana azy, hoy Andriamorasata Julien. Izay tokony haloa amin’ny fametahana io “hologramme” io ihany mantsy no aloan’ny olona, hoy izy, ankoatra ny sarany efa mahazatra. Ho fiarovana amin’ireo karazana hosoka maro samihafa mety hitranga amin’ny fikarakarana ny taratasy no antony, hoy hatrany izy sady hanatsarana ny fidiram-bolan’ny kaominina ihany koa. Nasiany resaka manokana ny “permis de construire”, izay vitan’ny sasany mihitsy teo aloha ny nanao “scanner” ny sonian’ny Ben’ny tanàna, na ny PDS, antony nampirongatra ny fanorenan-trano tsy ara-dalàna teto an-drenivohitra. Ny orinasa AMETIS moa no hiara-kiasa amin’ny kaominina amin’ny fanatanterahana izany, amin’ny alalan’ny 3P.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.