Na tsy avelan’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana hisokatra aza ny radio sy ny televizionan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) dia misy ny fiaraha-miasan’ny fiadidiana ny tanŕnan’Antananarivo amin’ireo haino aman-jery tsy miankina eto an-drenivohitra,
andefasana ny fandaharana sy ny vaovaon’ny kaominina, hanentanana ny mponina amin’ny fanadiovana sy ny fanatsarana ny tanàna, hanabeazana ny mponin’ny renivohitra amin’ny ankapobeny. Fandaharana manokana isan-kerinandro no atao, nampitondraina ny anarana hoe : “Sahia manarina an’Iarivo”, teny filamatry ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, tamin’izy vao hirotsaka hitantana ny renivohitra. Ny Aceem Radio, FM 103.4 no miara-miasa voalohany amin’ny CUA. Nanomboka ny herinandro teo, misy ihany koa ny fiaraha-miasan’ny CUA amin’ny TOP Radio, FM 102.8, mandeha isaky ny sabotsy amin’ny 8 ora maraina. Eo amin’ny fahitalavitra kosa dia efa vita sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny tale mpitantana ny TV Record, handeha tsy ho ela koa ny fandaharana amin’ity fahitalavitra ity an’ny CUA. Tsy mijanona hatreo ny fiaraha-miasa fa mbola hiitatra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.