Actualités

Kaominina Antananarivo Renivohitra Hampiditra polisy monisipaly 200 isa


  • Zoma 01 Aprily 2016

Nisokatra nanomboka ny alarobia 30 martsa teo ary hifarana ny zoma 22 aprily ny fisoratan anarana ho an’ireo zatovo lahy sy vavy te hifaninana hiditra ho polisy monisipaly eto amin’ny

 

kaominin’Antananarivo Renivohitra (CUA). 200 no horaisina ka hisy ny fifaninanana mivantana handraisana vehivavy 25 sy lehilahy 75. Hisy koa ny fifaninanana ho an’ny efa mpandraharaha na mpiasa ao amin’ny kaominina ka vehivavy ny 25 ary lehilahy ny 75. Ny mpifaninana dia feno 20 taona raha kely indrindra ary 35 taona raha be indrindra amin’ny andro hifaninanana. Mirefy 1 metatra sy 70 santimetatra raha fohy indrindra ny lehilahy, ary 1 metatra sy 65 santimetatra ny vehivavy. Manana ny zo rehetra ara-piarahamonina, tsara fitondrantena. Tsy mbola nisazy na eo am-piandrasana raharaham-pitsarana momba ny heloka bevava. Tsy mararin’ny raboka, homamiadana, habokàna, lefakozatra na areti-mifindra hafa. Ara-dalàna manoloana ny fanompoam-pirenena. Manana ny diplaoma BEPC na CFEPCES, na ny mitovy lenta aminy. Ho an’ny efa mpiasan’ny CUA, ankoatra ireo fepetra volaza etsy ambony ireo dia tsy maintsy efa niasa 5 taona tao amin’ireo sampandraharaha maro samihafa tao amin’ny kaominina farafahakeliny. Ao anatin’ny taranja an-tsoratra hanadinana ny fahalalana ankapobeny, ny kajy sy asamarika, ny resaka didy aman-dalàna ary ny fahafantarana ny momba ny kaominin’Antananarivo Renivohitra. Hisy ihany koa ny fanadinana ara-panatanjahantena tahaka ny hazakazaka. Afaka manatona ny kaominina sy ireo boriborintany 6 moa ireo rehetra mila fanazavana fanampiny momba ity fifaninanana fandraisana polisy monisipaly ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT