Actualités

Kaominina Antananarivo Renivohitra 49 miliara ariary ny tetibola 2019


  • Sabotsy 12 Janoary 2019

Lany teo anivon’ny filankevitry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny tetibola hampiasain’ny kaominina amin’ity taona 2019 ity.

 

 

 Mahatratra 49 miliara Ariary izany. Tsy mifanalavitra amin’ny nampiasaina tamin’ny taona lasa io tetibola io na nisy fiakarany kely aza. Naharitra 10 andro ny fivoriana ara-potoanan’ireo mpanolotsain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireo, izay notontosaina tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely ary nifarana omaly. Niompana betsaka tamin’ny fandaniana ny tetibola hampiasaina mandritra ity taona 2019 ity no votoaton’ny fivoriana, ankoatra io, nisy koa ny fanapahan-kevitra momba ny ho fanatsarana ny tanànan’Antananarivo, araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny filankevitra monisipaly, ny kolonely Andriambahoaka Faustin. Misy ny lahatr’asa laharampahamehana tsy maintsy tanterahina, hoy izy. Ny zavatra somary mampiavaka azy, dia hohatsaraina ny tahan’ny fampidiran-ketra izay latsaka be tamin’ny 2018. Raha ohatra tsy misy fiakarany ny haba amin’ny taha halaina, dia hohatsaraina kosa ny fampidiram-bola. Nodinihina ny mahakasika ny SAMVA, izay niteraka olana tamin’ny fanadiovana tanàna tamin’ny faramparan’ny taona 2018, ka nanome toromarika ny filankevitra monisipaly amin’ny hoe: ahoana ny famerenana io SAMVA io ho eo ambany fitantanan’ny tanàna fa raha mbola iandraketan’ny minisitera dia hifanilika lava eto foana.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT