Actualités

Kaominina Antananarivo Hanala ireo olona mibodo ny tranony


  • Talata 03 Mey 2016

Roso amin’ny dingana vaovao indray ny Kaominina Antananarivo Renivohitra taorian’ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana teo afovoan’Analakely, hetsika izay mbola

 

mitohy hatramin’izao, sy ny fanesorana ireo fiara simba mipetrapetraka eny amoron-dalana ka mibahana ny fifamoivoizana. Tato ho ato dia roso amin’ny famerenena ireo fiara nampiasan’ny mpiasa tao amin’ny Kominina, saingy tsy naveriny na dia efa tsy mpiasan’ny Kaominina intsony aza izy ireo. Misy ny efa tafaverina, mbola andalam-pitadiavana kosa ny sasany. Misy ihany koa ireo trano fipetrahan’ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no mibodo tsotra izao na efa tsy miasa ao amin’ny CUA intsony aza izy ireo, toy ny etsy Avaradoha, Ampasamadinika, Cité Perrier ... Anatin’ny fandaminana ny pitsopitsony amin’ny hakana ireo trano ireo ny Kaominina araka ny fantatra.


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT