Tsy mikoso-maso amin’ny asan-jiolahy ataon’ireo dahalo ao Fianarantsoa ny FIP any an-toerana tarihan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules.
Dahalo raindahany indray no lavon’izy ireo tao amin’ny tsenan’Anjoma Ambalavao ny sabotsy teo raha nihevitra ny handrava mpivarotra, nefa efa nahazoan’ny FIP vaovao avy tamin’ireo mpian-tsena sy mpiara-monina ary ireo mpivarotra. Vao nahita ny FIP ireto dahalo dia avy hatrany dia nitifitra. Namaly ireto polisy ka lavon’ny bala ny iray tamin’izy efa-dahy. Vao nahita izany kosa ireo namany dia nanao tari-dositra ka afa-nitsoaka niaraka tamin’ny basy teny amin’izy ireo. Nanamarika anefa ny kaomisera Rafaliarivo Jules fa tsy maintsy hapetraka ny filaminam-bahoaka, ka izay
manakorontana dia faizina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.