Mba ho an’ny tombontsoam-bahoaka dia miroso amin’ny fanavahana ny lalŕn’ny mpandeha an-tongotra sy ny arabe amin’izao fotoana izao ny kaominina Andoharanofotsy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.
Nasiana tsatoby mafonja mihitsy izany na irony antsoina hoe : “plots” irony. Raha araka ny fanadihadiana natao dia tsy zava-baovao vao noforonina akory izy io fa fanapahana teo anivon’ny kaominina efa tamin’ny taona 2015 ho fiarovana ny aim-bahoaka. Tena loza mitatao ho an’ny mpandeha an-tongotra tokoa mantsy ny tsy fisian’izany, antony efa namoizana ain’olona maro teto amintsika. Noho izay antony izay indrindra no nanosika ny kaominina hiroso amin’ny asa raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Ranirison Hasina. Toraka izany koa ny fanalana fahasahiranana ny mpitandro ny filaminana izay tsy voatery ho lany andro amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana intsony fa mba ho afaka hanao ny asany ara-dalàna. Ho an’ireo mety voatohintohina amin’ny fanatanterahana ny asa dia nanambara hatrany ity Ben’ny tanàna ity fa efa mijery ny hanatsarana izany ny tenany. Ho an’ny faritra andrefana, ohatra, dia notsindriany manokana fa efa nomena parking ho azy manokana anaty bazaar ireo mpivarotra. Toraka izany koa ny bazaar d’Andoharanofotsy…Nambarany ihany koa fa efa misy parking nomen’ny kaominina eo ampitan’ny Othodox sy ny teo amin’ny toby fiantsonan’ny taksibe mihazo an’Ambohijanaka teo aloha. Nomarihiny manokana moa fa mba ho tombontsoan’ny rehetra no antony nanaovana izao asa izao ho an’ny kaominina Andoharanofotsy izay tsy ho amin’ny rahampitso ihany fa ho fitsinjovana ireo taranaka faramandimby mihitsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.