Actualités

Kaominina Andoharanofotsy Nandaitra ny fanentanana ny mponina


  • Alakamisy 09 Martsa 2017

Tsy nahitana rano niandrona mihitsy ny araben’Andoharanofotsy omaly tontolo andro na dia nirotsaka tsy ato aza ny orana teto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Noho ny ezaky ny kaominina sy ny Fokonolona izay samy nanadio ny tata-drano rehetra no anisan’ny antony nahatonga izany, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Ranirison Hasina. Nandaitra ihany koa hoy izy ny fanentanana ny mponina ny amin’ny tsy tokony hanarina fako any anaty tata-drano ka tsy nisy intsony ny rano nihandrona. Raha tsiahivina anefa dia miaina anaty rano hatrany ny mponina ao Andoharanofotsy isaky ny fotoam-pahavaratra tahaka izao ka misy mihitsy ireo tsy afaka manohy ny asa fivelomany andavanandro toy ny mpivarotra… raha misedra olana ihany koa ny mpiasa sy ny mpianatra. Voasoroka hatrany amin’ireo tokantrano nahiana ho traboina hoy hatrany ny Ben’ny tanàna, asa izay ezahina hotohizana hatrany hananan’ny mponina filaminan-tsaina sy hahafahana miaina ao anaty tanàna madio.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT