Actualités

Kaominina Andoharanofotsy Nahazo kianja filalaovam-baolina vaovao


  • Alakamisy 13 Oktobra 2016

Efa am-polo taonany no tsy nanana kianja filalam-baolina kitra ho an’olona 11 intsony ny kaominina Andoharanofotsy taorian’ny nakan’ny fianakaviana Ramaroson ny taniny.

 

 Tsy nionona fotsiny tamin’izao anefa ny ben’ny tanàna Ranirison Hasina sy ny ekipany fa niezaka ny nitady vahaolana. Vokatry ny fiaraha-miasan’izy ireo tamin’ny sehatra tsy miankina dia nahazo kianja filalaovam-baolina vaovao izy ireo. Ao Iavoloha Ankazobe no misy io kianja io izay  hanomboka hiasa ny alahady 16 okotobra ho avy izao, fotoana hanombohan’ilay tournoi baolina kitra goavam-be hiarahana amin’ny ligin’Analamanga. Ady omby sy ondry no hifanaovana amin’izany raha araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna no sady maimaim-poana ny fandraisan’ny ekipa anjara.  Ny “droit”-n’ny arbitre sy ny “assurance”  sisa araka izany no alohan’ny ekipa, fifaninana izay hifarana ny 18 desambra ho avy izao. Tsiahivina moa fa mahatratra 20 isa ireo akipa handray anjara amin’izany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT