Mila tsy hisy lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra intsony amin’izao fotoana izao ny eny amin’ny lalam-pirenena fahafito.
Ankoatra ny fibahanan’ireo fiara maro mijanona amoron-dalana dia manao ny ataony ihany koa ireo mpivarotra sasany, tranga izay ahiana mety hitera-doza raha tsy voavaha haingana. Mba hahafahana miaro ny ain’ny rehetra, indrindra fa ireo mpandeha an-tongotra dia nidina nijery ny zava-misy teny an-toerana Ranirison Hasina, Ben’ny tanànan’Andoharanofotsy sy ny ekipany ny faran’ny herinandro teo. Nisy ny fanalana ireo fiara sy mpivarotra nibodo ny toeran’ny mpandeha an-tongotra izay tsy natao tery vay manta akory fa narahin’ny fanazavana sy ny fanentanana ihany koa. Raha ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna dia mbola hitohy hatrany ny hetsika, indrindra ny fanalana ireo zavatra na olona mibahana ny lalan’ny mpandeha ho tombontsoan’ny rehetra. Lalam-pirenena rahateo ny RN 7, betsaka ireo fiara mifamoivoy mampiasa azy isan’andro ka tsy maintsy handraisana fepetra. Ho an’ny fiara fitateram-bahoaka manokana dia efa nisy ny lamina napetraka ho an’ny kaominina Andoharanofotsy, tafiditra ao ny fiarakaretsaka kaominaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.