Taorian’ny asa maro notanterahin’ny kaominina Andoharanofotsy niarahana tamin’ny Ben’ny tanŕna Ranirison Hasina, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara
dia hiaraka hikorana amin’ny vahoaka indray izy ireo entina hampahafantarana ireo manampahefana rehetra mipetraka sy monina ao anatin’ity kaominina ity. Ny alahady 28 febroary ho avy izao no hanatanterahana ny hetsika amin’ny alalan’ny fampisehoana goavambe hiarahana amin’ireo mpanakanto rehetra avy ao Andoharanofotsy. Ao Mahabo kianjan’ny jeneraly Ramanantsoa no hanaovana izany hiantsoana sy hanasana ny rehetra tsy misy vidim-pidirana. Anisan’ireo mpanakanto ho avy hanotrona ny fotoana i Nina’s, Jean Aimée, Simonda, Mage 4. I Francis Turbo no hanentana. Ankoatra ireo dia hisy ihany koa ny mpanakanto tsy ampoizina ho avy eny an-toerana hamalifaly ny vahoaka. Aorian’ny asa goavam-be tahaka ny nataon’ny kaominina Andoharanofotsy moa dia mety sy tsara hatrany ny miala voly kely hahafahana mihaona mivantana amin’ny vahoaka sy mandray ny hetahetam-pon’izy ireo. Mitontona faran’ny herinandro rahateo izany. Misy ny sakafo hamidy eny an-toerana ho an’ireo tsy mahavita mikarakara.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.