Tsy hiparitaka eran'ny tanŕna intsony ny fako ho an'ny kaominina Ampitatafika. Nahazo traktera vaovao hisahana ny fitaomana izany isan-tanŕna sy isam-bohitra izy ireo izay efa nanaovana fanandramana nanomboka ny herinandro teo.
Vokatry ny ezaky ny Ben'ny tanàna Rado Ramparaoelina no angady nananana sy vy nahitana ny hetsika, hoy ny lefiny fahatelo Rabekijana Faly. Ankoatra ny asa fandraofana fako izay hosahanin'ity traktera ity dia fantatra fa hiasa hanapaka ny lobolobo manerana ireo fokontany 13 isa ihany koa izy hahafahana miady amin'ny tsy fandriampahalemana. Marihina moa fa hiasa amin'ny resaka fanamboaran-dalana, fananganana fotodrafitrasa toy ny trano ihany koa ity traktera iray ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.