Actualités

Kaominina Ampitatafika Raikitra ny asa fanamboaran-dalana


  • Talata 13 Septambra 2016

Volana iray sisa dia hisantatra ny fotoam-pahavaratra isika. Olana goavana aterak’izany voalohany ny haratsian-dalana, antony nanosika ny kaominina Ampitatafika hiroso amin’izany.

 

 Anisan’ireny ny fokontany Ambohimangidy izay hovatsian’ny fanjakana vola.  Hatao rarivato avy hatrany ny 1 km ankoatra ireo fokontany folo hafa izay hiarahan’ny kaominina Ampitatafika  miasa miaraka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Lalana mirefy 17 km indray no voakasika ka olona manodidina ny 200 isan’andro no hampiasaina amin’ny alalan’ny asa tanamaro mba handroaka ny vovoka. 4.000 Ar isan’andro no tambin-karama omena azy ireo raha 3.000 Ar no nahazatra ny rehetra hatramin’izay. Tafiditra ao anatin’io 200 isa io ireo hanamboatra tatatra hahafahana manatsara ny fampidiran-drano eny Antanimbary ho tombontsoan’ny mponina. Haharitra enina andro ny fanamboarana ny tatatra raha 20 andro kosa ny lalana.  Efa nanomboka ny tapaky ny volana aogositra lasa teo ny asa nanamboarana ny tatadrano, entina hanomezana asa ireo tsy an’asa.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT