Actualités

Kaominina Ampitatafika Maniry fiaraha-miasa amin’ny fanjakana foibe


  • Talata 06 Oktobra 2015

Tontosa omaly folakandro ny fifamindram-pitantanana teo anivon’ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika.

  Nizotra tao anatin’ny firahalahiana tanteraka ny lanonana teo amin’ny ben’ny tanàna mpisolo toerana Randrianarimanana Ralay sy ny ben’ny tanàna vaovao voafidim-bahoaka Ramparaoelina Rado. Niompana tamin’ny jery todika ny lahateny nifandimbiasan’ny roa tonta. Nasongadin’ny ben’ny tanàna vaovao kosa anefa ireo toetra tsy mendrika sy mamohehatra nitranga nandritra ny vanim-potoanan’ny fampielezankevitra. Anisan’ny niharan’ny antsojay tamin’ny fanaratsiana sy fanendrikendrehana tsy misy porofo mazava toy ny fanotofana tany niaraka tamin’ny fitoriana napetraka teny amin’ny Bianco moa ity ben’ny tanàna natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara ity. Sarotra rahateo ny hamerina ny fifampitokisana eo amin’ireo mpandraharaha vonona ny hiara-kiombon’antoka amin’ny fampandrosoana ny kaominina taorian’ireny tranga mampalahelo ireny, hoy ny tenany. Ezahina anefa ny hanarina izany satria mila fampivoarana ireo fokontany miisa 13 mandrafitra ny kaominina. Vonona ny hiara-kiasa amin’ny fanjakana foibe tarihan’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery moa ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika. Hojerena avy hatrany ny sehatry ny fanabeazana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao, araka ny fanampim-panazavan’ny ben’ny tanàna Ramparaoelina Rado.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT