Mahavelombolo ihany hatreto ny fampanantenana sy fanomezan-toky nataon’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery nandritra ny fampiantsoana ireo mpitantana ifotony manerana ny nosy teto amin’ny renivohitr’i Madagasikara, hoy ny ben’ny tanànan’Ampasikely Raharimalala Saholinirina.
Miandrandra ny fanatanterahana ny kabary nataon’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fifanomezan-tanana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka mpamatsy vola ho fampandrosoana ny kaominina hanatontosana ireo tetikasa izahay, hoy ihany Tati Sah. Ezaka goavana tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana ho an’ity kaominina ambanivohitra ao amin’ny distrikan’Amparafaravola ity moa ny fananganana ireo fotodrafitrasa samihafa toy ny fanorenana sekoly ambaratonga voalohany, tsena, trano fivoahana ary ny trano fampiterahana. Eo ihany koa anefa ireo mpiara-miasa ifotony sy ny tohana avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara izay manana ny fandaharanasa Madagasikara Am-perinasa kaominaly.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.