Actualités

Kaominina Ampahitrosy Atahorana sahady ny tondra-drano


  • Alarobia 30 Desambra 2015

Atahorana sahady ny fiakaran’ny rano izay mety hitarika tondra-drano ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ampahitrosy, distrikan’Atsimondrano noho ny fiavian’ny ranon’orana tsy niato tato ho ato. Ireo faritra lalovan’ny reniranon’i Sisaony no tena voakasik’izany ka nampitaraina fatratra ny Ben’ny tanàna.

 

 Tonga nidina nijery ifotony ny zava-misy teny an-toerana ny 27 desambra lasa teo ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC notarihin’ny sekretera mpanatanteraka ao aminy Andriamatoa Venty Thierry. Nisy ny dinika nifanaovan’ny roa tonta hahafahana mitady vahaolana toy ny fanokafana tata-drano  rehetra hahafahana mamoaka ny rano, ny paikady hapetraka entina hamonjena ireo traboina, ny fomba hahafahan’ny mponina mivelona,  ny fanentanana ny olona …Fantatra koa fa handray ny andraikiny avy hatrany ny BNGRC ka anisan’ny asa goavana hotanterahin’izy ireo ny fanatevenana ny fomba fanairana ny mponina amin’ny loza, ny fampianarana azy ireo hitondra tena mifanaraka amin’ny loza mety hitranga, indrindra fa ny ankizy madinika. Tsiahivina moa fa nilaza sahady ireo karazana olana mety hosedrain’ny kaominina ny Ben’ny tanàna. Tany ana hektara maro no efa tondraka ankehitriny ao anatin’ity kaominina ity. Efa betsaka ihany koa ny mponina no tsy afaka miaina toy ny teo aloha intsony fa tsy maintsy mampiasa lakana.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT