Ao anatin'ny fijaliana tanteraka amin'izao fotoana ireo mpiasan'ny kaominina ambonivohitra Taolagnaro. Izany dia noho ny tsy mbola nahazoan'izy ireo ny karamany nandritra ny 3 volana.
Mpiasa maherin'ny 90 izy ireo. Tsy afa-manoatra fa menomenona fotsiny no iainan'izy ireo. Raha nitafa tamin'ny mpanao gazety tany an-toerana Rtoa Perline Endor, filohan'ny delegasiona manokan'ny kaominina nambarany fa vokatry ny tsy fidiram-bolan'ny kaominina no anton'izany. Eo koa ny politika ankapobeny amin'ny fandaniana ao amin'ny kaominina manana ny maha izy azy ity. Raha atao ny fampitaha, sambany vao niseho ity tsy fandraisana karama ao amin'ny kaominina ambonivohitr’i Taolagnaro ity. Manoloana izany, samy mametra-panontaniana ny rehetra hoe tena tsy fisiam-bola marina ve no mahatonga izany sa ny tsy fahaiza-mitantana ? Teo aloha mantsy izany hoe nandritra ny fitantanan'ireo PDS roa nifandimby Zafinandro Armand sy Andriamaro Jovain Thomas dia nizotra tamin'ny tokony ho izy ny fahazoana ny karaman'ny mpiasa. Mahakasika ny fanarenana fotodrafitrasa ravan'ny rotsak'orana tsy mbola misy tokotaniny raha toy ny lavaka be ao Ampotatra izay efa mihanika any amin'ny faha telo volana koa ny nampirodana ny lalana. Raha tsy misy ny fanarenana ao anatin'ny fotoana fohy hiitatra ary ho tapaka tanteraka ity lalana ity izay efa tsy azo ampiasaina amin'izao fotoana. Perline Endor mihevitra ny ho kandida ben'ny tanàna amin'ny 17 jolay ho avy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.