Actualités

Kaominina ambonivohitra Tolagnaro Mifanara-tsaina tsara ny ben’ny tanŕna sy ireo mpanolotsaina


  • Talata 13 Oktobra 2015

Miankina amin'ny fahavononan'ny rehetra, ireo mpanolotsaina, ny mponina ny asa fampandrosoana ny tanŕna. Nanamafy izany ny filohan'ny filankevitra izay vao avy nofidin'ireo mpanolotsaina 11 mianadahy mianaka.

Fifanarahana no nahalany ny birao vaovao. Nanomboka ny zoma ary nifarana omaly alatsinainy moa ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany, fivoriana araka ny fiantsoan-dRavelonandro Tsimbazafy Abdon Marie, lehiben'ny fileovan'i Tolagnaro. Fifidianana ny birao maharitra. Nifanarahan'ny ampahany betsaka miara-dia amin'ny ben'ny tanàna fa Ramanandraibe Evariste HVM no tsara omena ny toerana. Antony, mba hisian'ny fiaraha-miasa amin'ny fitondrana. Lany ihany koa ny organigrama  ao amin'ity kominina ambonivohitra iray ity natolotry ny ben'ny tanàna hodinihina sy holaniana sy ny hafa. Andrasana ny ho fanendrena ireo izay hiara-miasa aminy. Ny tena mahaliana ny maro dia ny hamantatra izay olona hipetraka amin'ny toeran'ny ben'ny tanàna lefitra roa sy ny sekretera jeneraly....Mahakasika ny asa fampandrosoana an’i Tolagnaro kosa dia efa manomboka hita soritra ny fahadiovan'ny tanàna. Saika efa tsy tazana intsony ireo fako sy loto nivangongo. Mbola asa miandry ny ben'ny tanàna vaovao ihany koa ny fitomboan'ireo tranon-kisoa na lambo any afovoan-tanàna toy izay hita amin'ireo kartie vitsivitsy: Ampotatra ary Esokaka. Ambovomaiky. Ny fandoavana ny  karaman'ireo mpiasan'ny kaominina telo volana vary mangatsiaka. Na eo izany, nanome toky ny ben'ny tanàna fa hiasa, hiasa tsara, hiasa haingana.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT