Actualités

Kaominina Ambohimanambola Ankizy 100 notohanan’ny Jovenna


  • Sabotsy 22 Oktobra 2016

Fitaovam-pianarana toy ny kahie 10, penina 4, pensilihazo, solaitra isaky ny ankizy izay nitentina 8 500 000 ariary any ho any no natolotry ny

orinasa Jovenna ireo mpianatra 1 000 voafantina (avy amin’ny sekoly tsy miankina ny 700 ary mpianatry ny sekolim-panjakana ny 300) teny amin’ny kaominina Ambohimanambola Avaradrano, omaly zoma 21 oktobra. Ho famaliana ny antso nataon’ny ben’ny tanànan’Ambohimanambola Donat Ramilijaona tamin’ireo tsy miankina ny hanampiana ity kaominina ity amin’ny lafiny rehetra izao hetsika nataon’ny orinasa Jovenna izao, hoy Rtoa Rajaonera Noro tompon’andraikitra ao aminy sady ho fanamarihana ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny tsy miankina sy ity kaominina ity koa. Mbola hisy moa ny fiaraha-miasan’ity orinasa ity sy ny kaominina Ambohimanambola amin’ny tetikasa fampidiran-drano eny an-toerana. Mampirisika ny olona handoa hetra ny fahatanterahana hetsika tahaka itony, hoy ingahy ben’ny tanàna. Nomarihany fa hisy fifanarahana amin’ny ATT sy ireo Kaoperativa misy sy mbola hampidirina amin’ny resaka zotram-pitaterana mampitohy an’Ambohimanambola sy ny renivohitra izay hitoerana olana tokoa ankehitriny.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT