Mba ho fanatsarana ny fidiram-bolan’ny kaominina sy ho fampandraisana anjara ny mponina amin’ny fampandrosoana ny faritra misy azy dia tanterahina ao anatin’ny kaominina Ambohijanaka,
distrikan’Antananarivo Atsimondrano amin’izao fotoana izao ilay hetsika telo volan’ny hetra. Nanomboka ny 15 martsa lasa teo no nisian’izany, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Ratsimbazafy Alain, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara, hifarana ny 15 jona. Efa nozaraina tamin’ny isan-tokantrano avokoa ny taratasin-ketra raha araka ny fanazavany hatrany toy ny hetran-trano sy ny hetran-tany tsy misy tatao. Miantso sy manentana ireo mponina ao amin’ny faritra iadidiany, araka izany, ity Ben’ny tanàna ity mba handray anjara mavitrika amin’ny fandoavan-ketra ho fampandrosoana ny tanàna iombonana. Mikasika ny asa fampandrosoana ao anatin’ity kaominina ity manokana moa dia fantatra fa miezaka hatrany ny Ben’ny tanàna Ratsimbazafy Alain amin’izao fotoana izao manatanteraka izany ka anisan’ny fanamby lavitr’ezaka ny asa fanamboarana ilay tsena manara-penitra ao an-tampon-tanànan’Ambohijanaka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.