Actualités

Kaominina Ambohibao Atsimo Asa laharam-pahamehana ny fanitarana ny lisea


  • Zoma 22 Janoary 2016

Asa laharam-pahamehana ho an’ny kaominina Ambohibao Atsimo, distrikan’i Manjakandriana amin’ity taona vaovao 2016 ity ny fanitarana ny lisea ao an-toerana

 

. Sekoly miisa telo mantsy no efa misy amin’izao fotoana izao raha efa natao fanampin’izy ireo ny biraon’ny kaominina teo aloha. Na izany aza tsy ampy ny trano  noho ny fitombon’ny mpianatra isan-taona. Ezaka hataon’ny kaominina ny hangataka fanampiana amin’ny fanjakana ankoatra ireo mponina ao an-toerana sy ny zanaka am-pielezana izay hanatanteraka tsenam-bokatra goavana ny faran’ny volana mey ho avy izao. Araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Fidy Bariniaina dia mila halana ny fahasahiranana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra any an-toerana, indrindra fa ireo vao afa-panadinana BEPC. Mikasika ny fiainan’ny mponina any an-toerana manokana dia fantatra fa ny jiro no olan’izy ireo. Fokontany roa monja amin’ny fito mantsy no manana izany. Toraka izany ihany koa ny hasarotan’ny fiainana ankapobeny toy ny fiakaran’ny vidin’ny zezika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT