Actualités

Kaominina Ambavahaditokana Tsy mety mivoaka ny fanampiana avy amin’ny fanjakana


  • Alatsinainy 28 Novambra 2016

Velon-taraina ny amin’ny tsy mbola nivoahan’ny fanampiana ho an’ny kaominina avy amin’ny fanjakana ny Ben’ny tanŕnan’Ambavahaditokana Andriamihaja Bruno.

 

 Betsaka ny asa tokony hatao ho an’ny kaominina iadidiany manokana. Anisan’ireny ny lalana, ny fefiloha izay tokony hatao mialoha ny fahavaratra. Voatery nandray fanapahan-kevitra izy ireo hisorohana ny loza mety hitranga. Ahiana ho vaky mantsy ny fefilohan’Ampasiviny ao amin’ny fokontany Antanjona raha tsy misy ny fandraisana andraikitra. Namory ireo vatan-dehilahy rehetra tao an-tanàna ny Ben’ny tanàna ny sabotsy teo nanao asa tana-maro. Raha ny fantatra dia tokantrano an’arivony, misandrahaka amina kaominina efatra  eny amin’ity distrika iray ity raha kely indrindra no mety ho lasibatra raha sanatria ka vaky ity fefiloha ity.  Hany herin’izy ireo dia nanatona ny herin-tsandriny raha noraisin’ny APIPA an-tanana kosa ny fanomezana ny bois rond na ny hazo hanohanana ny ranobe tsy hiitatra hikaoka ny fefiloha. Na izany aza dia nambaran’ireo fokonolona fa fitaovana goavam-be toy ny pelle mécanique mihitsy no tokony hidina eny an-toerana saingy noho ny tsy fisian’ny hoenti-manana dia voatery manao tsikelikely izy ireo. Miantso ny fanjakana mahefa mba hijery akaiky ny zava-misy, araka izany, ireo fokonolona ao an-toerana. Tsiahivina fa manodidina ny 7 tapitrisa Ar isaky ny kaominina isan-taona ny vola tokony homen’ny fanjakana amin’ny alalan’ny Fond de developpement local ( FDL).

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT