Anisan’ny kaominina iray ahitana ankizy latsaka anaty lava-biriky na olona maty an-drano hatrany matetika ny kaominina Ambavahaditokana Atsimondrano rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao.
Efa mitady izay fomba hahafahana misoroka izany sahady ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany Andriamihaja Bruno ankehitriny ka tamin’ny alalan’ny fampianarana ny mponina ny resaka vonjy voina no nisantarany izany ny sabotsy teo. Teo amin’ny kianja fanaovam-baolina no nanatanterahana ny hetsika, niarahana tamin’ny fikambanana Croix rouge Malagasy. Farafaharatsiny mba misy ain’olona iray voavonjy amina faritra iray, hoy ny Ben’ny tanàna raha sanatria ka misy tranga mifandraika amin’izany. Olona am-polony avy amin’ireo fokontany maro mandrafitra ity kaominina ity no nahazo tombontsoa, fampianarana izay azo hampiharina avy hatrany. Ankoatra izay dia nampiana sy notoroana hevitra tamin’ny alalan’ny fanaovana zumba ihany koa ireo vehivavy sy ankizy ao anatin’ity kaominina iray ity mba hahaizany mitaiza ny fahasalamany. Tamin’ny alalan’ny fikambanana ASCA ( Athletico Sporting de la Commune Ambavahaditokana) no nanatanterahana ny asa, fikambanana izay nijanona tamin’ny fanaovana fanatanjahantena fotsiny teo aloha saingy efa misandrahaka amin’ny fampianarana dihy ankehitriny. Ireo ankizy sy tanora fito ka hatramin’ny 17 taona no tena kendrena hahazo tombontsoa ankoatra ireo efa nahazoazo taona te hitazona ny lanjany na hikolo ny bikany, tsy hanavahana na lahy na vavy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.