Mbola olana goavana sedrain’ny kaominina Ambavahaditokana ankehitriny ny tsy fahampian’ny jiro manazava ny tanŕna. Vao ny 20 %-n’ny tanŕna manana velaran-tany 6,6 km2 mantsy no misy jiro, raha 9 km monja miala etsy amin’ny garan’i Soarano no misy azy.
Vokany, na dia miezaka amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana ao anatin’ny faritra iadidiany aza ny Ben’ny tanàna Ratianarivo Bruno sy ireo mpiara-miasa aminy dia misy hatrany ny indro kely. Tafiditra ao anatin’izany ny hala-botry, indrindra fa amin’ny vanim-potoana tsy fisian’ny asa ( fanamboarana biriky) ka mampanaotao foana ireo efa zatra mandray vola. Ho an’ny paositry ny zandariamariam-pirenena vaovao ao Ambavahaditokana, ohatra, dia mbola ny kaominina avokoa no miantoka ny birao hiasan’ireo zandary sy ny kojakoja ilainy ary ny solika entin’izy ireo miasa mba hanaovana ny fisafoana amin’ny alina. Toraka izany koa ny eny amin’ny paositry ny polisy eny Loharanombato izay anaovan’ny kaominina ezaka ihany koa. Misy vola mitotaly 200 tapitrisa Ar tokony hiverina amin’ny kaominina alaina amin’ny jiron’ny isan-tokantrano isam-bolana eo anivon’ny orinasa JIRAMA ka io no efa karakarain’izy ireo amin’izao fotoana. Ny 90 %-n’ny fikarakarana ny taratasy no efa vita ankehitriny raha fokontany mihoatra ny efatra kosa no ezahina hahazo tombontsoa toa an’Ambohimandroso, Ambohimarina, Amboatavo. Misaotra ny orinasa JIRAMA sahady ny Ben’ny tanàna sady manainga mavitrika azy ireo ihany koa mba hanafaingana ny asa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.