Actualités

Kaominina Ambavahaditokana Maika ny asa fanamboarana ny toho-drano ao Ampahasiviny


  • Alakamisy 31 Martsa 2016

Ny fambolena sy ny fiompiana no foto-piveloman’ireo mponina ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ambavahaditokana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 

  Toho-drano roa lehibe no fantatra fa tena miantoka ny  fampihodinana ny fambolem-bary ao an-toerana  dia ny ao Andrainibiby sy Ampahasiviny ao anatin’ny Fokontany Antanjona. Araka ny fanazavan’ny Ben’ny Tanàna Ratianarivo Andriamihaja Bruno dia maika amin’ny fanamboarana ity farany. Mahatratra hatrany amin’ny 320 ha mantsy ny velaran-tany tsy maintsy tondrahana raha tiana ho tsara ny vokatra. Efa nisy ihany ny fangatahana natao tamin’ny APIPA saingy asa vonjimaika ihany no vita. Ankoatra izay, notsindriany fa anisan’ny asa maika tokony hataon’ny kaominina tantanany ihany koa amin’izao fotoana izao ny  fanamboarana ny digy kely sy ny farihy, fotodrafitrasa tokony ho vita mialoha ny hiakaran’ny vary eny an-tsaha. Manana tetikasa miisa 11 ity kaominina ity ankehitriny entina hanatsarana sy hampandrosoana ny fiainan’ny mponina ao aminy.  Tsiahivina fa 9 km sy 900 miala ny renivohitra no misy azy, misy mponina manodidina ny 50.000 misandrahaka manerana ny Fokontany enina.

Patty

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT