Actualités

Kaominina Ambavahaditokana Laharam-pahamehana ny fanampiana ireo tantsaha


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2015

Ny ampitson’ny fifamindram-pahefana dia nidina ifotony avy hatrany Ratianarivo Bruno, ben’ny tanàna vaovao ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambavahaditokana. Ny tambajotran’ny rano ampiasain’ny mpamboly no nisantarana izany.

 

 Anisan’ny manimba ny vokatra mantsy  ny lesoka amin’ny fitantanana ny rano nefa ny ankamaroan’ny mponina ao amin’ity kaominina ity dia tantsaha avokoa. Nisy avy hatrany ny fanapahan-kevitra hanangana rafitra vonjimaika hitantana ny hidin’ny toha-drano ka ireo sefo fokontany voakasika amin’izany no nikaon-doha nametraka azy. Tsy maintsy atao kosa izay hisian’ny rafitra  hifampifehezan’ny mpampiasa ny tambajotran’ny rano, araka ny fanazavan-dRatianarivo Bruno. “Mahomby kokoa mantsy ny fampandraisana andraikitra ireo mahita tombontsoa amin’ny fitantanana fotodrafitrasa lehibe toy itony”, araka ny fanazavany. Nohamafisiny ihany koa fa misokatra amin’izay mety ho fiaraha-miasa rehetra ny tenany ho an’ny  fampandrosoana ny tanàna. Nambarany fa mandalo fotoan-tsarotra Ambavahaditokana raha ny antontan-taratasy voarainy tamin’ny nandraisany ny fitantanana ny zoma teo no jerena ary  tsy hiarina izany raha tsy misy ny fiaraha-mientana.


Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT