Actualités

Kaominina Alasora sy Carry le Rouet Frantsa Matotra ny fiaraha-miasa


  • Alakamisy 28 Martsa 2019

Tao anatin`ny roa taona dia nisy fiaraha-miasa teo amin`ny kaominina Alasora sy ny kaominina Carry Le Rouet any Frantsa izay mampifandray mpianatra sy ankizy tanora ao anatin’ireo kaominina roa ireo.

 

 

Tamin`ny taon-dasa no  nanomboka ny fiaraha-miasa izay nanaovana fifaninanana horonantsary fohy (film de poche) momba ny fiainan’ireo tanora any an-tokantranony na any am-pianarana na koa eny amin`ny fiarahamonina .Izy ireo no mamorona ny horonan-tsary. Tamin` ny taon-dasa, 20 ireo nifaninana ka 12 no nahazo loka. Tamin`izay fotoana izay, ny kaominina Alasora no nahazo ny loka voalohany. Nitohy tamin`ity taona ity ny fiaraha-miasa ka mbola lasan’ireo mpianatry ny lisea TASC Alasora ihany ny amboara. Omaly no nanolorana ny loka natrehin’ny Ben’ny tanàna Marc Ramiaranjatovo. Matotra ny  fiaraha-miasa eo amin`ny kaominina roa tonta.  Tsiahivina fa ny tanora no anisan`ny fanohitra afaka mitondra fampandrosoana ao anatin’ny firenena misy azy. Notohanan’ny kaominina hatrany izy ireo tamin’ny fanatontosany ireo horonantsary nofidiany. Tsy  mijanona amin`ny fanabeazana sy ny tanora ihany fa mivelatra kokoa amin`ny fanatanterahana fotodrafitrasa ny fiaraha-miasan’ny kaominina roa tonta. Ho avy tsy ho ela ny boky, jiro, fiara… tsy ampiasain’ity kaominina iray any Frantsa ity intsony homena maimaimpoana ny kaominina Alasora.

Pati sy Marigny

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT