Actualités

Kaominina Alasora Olona sahirana 2.000 notolorana fanomezana


  • Zoma 23 Desambra 2016

Kaominina iray anisan’ny mijery akaiky ny maha olona ny kaominina Alasora tantanan’ny Ben’ny tanàna Marc Ramiarinjatovo.

Tsy nanadino ireo olona sahirana sy  niangaran’ny vintana ao amin’ny faritra iadidiany  ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany  amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Olona  sahirana sy zokiolona  manodidina ny 2.000 isa omaly no notoloran’izy ireo fanomezana, lanonana notanterahina tao amin’ny kianja maitso.  Fotsimbary,  menaka niampy kilalao ho ana ankizilahy kely sy ankizivavy kely miisa 600 no natolony tamin’izany entina hamalifaliana ny  rehetra noho ny fahatongavan’ny fety. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy maro isan-tsokajiny no angady nananana sy vy nahitana izany hahafahan’ny mponin’Alasora rehetra miara-mankalaza ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona sambatra. Hetsika efa fanaon’ny kaominina  isan-taona moa ny tahaka izao. Tsy latsa-danja amin’izany ny fetin’ny 26 jona izay hanoloran’izy ireo  fanomezana manokana ho an’ireo sahirana ihany koa noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Asaramanitra. Vonona hiatrika ny fety ny kaominina. Efa mipetrapetraka avokoa ny lamina rehetra, indrindra fa ny fitandroana ny fandriampahalemana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT