Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra isika izao, fotoana tena manahirana ny tokantrano maro.
Ho an’ny kaominina Alasora manokana, hoy ny Ben’ny tanàna Ramiarinjatovo Marc dia mitombo hatrany ireo olona sahirana ara-pivelomana tonga mitady fanampiana ao aminy. Natao laharam-pahamehana, araka izany, ny fijerena manokana azy ireny manomboka amin’ity taona vaovao 2016 ity. Anisan’ireny ny resaka famoronan’asa, indrindra fa ho an’ny tanora, ny fanampiana ireo tena sahirana. Efa misy ny mpamatsy vola vonona hanohana ny kaominina amin’ny fanatanterahana izany hisandrahaka amin’ny mponina manerana ireo fokontany miisa 20. Mikasika ny fidiram-bolan’ny kaominina manokana moa dia notsiahiviny fa mbola hiaina amin’ny hetran-trano sy ny tany ny kaominina hatramin’ny volana martsa ho avy izao. Toraka izany koa ny taratasy fangatahana hanorina trano tonga eo am-pelatanan’izy ireo. Mikasika ny hetra manokana moa dia nambarany fa mitombo hatrany ny havitrihan’ny mponina amin’ny fandoavana izany ankehitriny. Misy mihitsy, hoy izy ireo mbola manefa ny hetra tsy voaloany tamin’ny taona 2012 sy 2014 izay tena mahafaly tokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.